Fiainana miovaova

Fiainana miovaova

Io lanitra io akory tsy ho mangamanga foana
fa miova ho fotsifotsy sy matroka ihany koa
Na ny diavolana aza tsy mandavan-taona
fa mety maizinkitroka ny ao an-tampon-doha

Ny kintana alinkisa koa tsy voatery ho hita
fa rahona no tazana mandrakotra ny tany
Izany anefa akory tsy dia hoe midika
fa tsisy kintana intsony any ambony rahona any

Toy izany koa ny fiainantsika olombelona
Miovaova mifandimby eo ny ratsy sy ny tsara
Maro no efa maty, f’ianao no mbola velona
Koa meteza ianao hanaiky ny lahatra sy anjara

Tsy maintsy hisy foana ny sento sy tomany
Tsy ho voasakanao ny fahoriana mety hanjo
Mahaiza aloha mifaly amin’ny fiainana androany
Dia araraoty ny andro izay azo hanaovan-tsoa

Rasamy

Laisser un commentaire