Na tapitra tsy ho faly
fa vonona hampijaly
sy hanenjika anao
aza izao tontolo izao.
Kanefa ianao mahatsapa
ho tsisy zavatra hafahafa
nataonao mampanahy
mety haningotra fanahy.
Satria fiainam-pahamarinana
anaty filaminana
no niainana hatrizay.
Nefa misy manaratsy indray …
Dia aza taitra akory
aza ataonao mampahory
izany rehetra izany
fa fomban-tany ihany.
Aza mitanondrika na koa hoe mitomany
fa mahereza hatrany.
Tsy handaitra akory izay fanaratsiana
f’aleo ianao mangina.
Asehoy ny fahendrena, aleo manetry tena
f’izay mangina volamena
Aza mamaly akory, toneo ny fo anaty
fa ny marina tsy maty.
Rasamy