Tsaroako ery fahiny
fa iny namako iny
dia nahantra sy kamboty
tsy mba afaka niangoty
satria nilaozan-dray sy reny
mbola zaza tsy niteny.
Niharitra sy nihafy
kanefa niady mafy
nihoitra tamin’ny fiainana.
Tsy mba feno fitarainana
fa na oviana na oviana
dia nahay nampangina
ho azy samirery, tao am-pony tao
izay mety ho alahelony. Tsy toa ahy sy ianao
nihantahanta ery tamin’ny fahazazana
sady niantso Dada no niantsoantso Mama.
Indro ankehitriny
faly aho mahita an’iny namako iny
fa vokatry ny hambom-pony
dia toy ny tsy kamboty intsony.
Ka ny herim-po nananany
no nahatafita ireto zanany,
ary ny haavon’ny fisainany
no nampamiratra ny fiainany.
Dia lasa saina aho sy vinany
Hafahafa ny eto an-tany
fa misy mihamahantra sy ory
nefa tsy kamboty akory.
Misy tsara fahazazana
fa mahantra fiafarana.
Koa n’inona n’inona lazaina, n’inona fanazavana
Ataovy masaka ao an-tsaina fa tsy lahatra ny fahantrana.
Rasamy