Ny azy sy ny antsika

Ny azy sy ny antsika

Ny azy ny herinaratra efa ny herin’ny masoandro
Ny antsika mbola solika no miakatra isan’andro
Ny azy politika no mitondra fandrosoana
Ny antsika fanonganana no tena imasoana

Ny azy ny tanàna madio sy tsara voatra
Ny antsika zaoridira no mila hampitroatra
Ny azy efa ho paradisa izay jeren’ny maso
Ny antsika izay mijoro indray no hanaovana ankaso

Ny azy ny vahoaka no atao an-tampon-doha
Ny antsika ny mpitondra no mihanoka ny soa
Ny azy ireo mpangalatra voahenjika avy hatrany
Ny antsika ireny indray no miedinedina aok’izany

Ny azy ny harenany mitera-boka-tsoa
Ny antsika izay hananana aza haripaka avokoa
Ny azy ny fahaizana miampy ny hambom-pony
Ny antsika kolikoly indray no mahalasa ambony

Hafa mihitsy ny azy ny mpitondra firenena
Ny antsika latsam-paka anatin’ny fitiavan-tena
Tsy mahagaga ny azy raha toa manan-karena
Ny antsika kosa gisitra mahantra mahonena

Raha te handroso isika dia tokana ny lalana
Ilay toe-tsaina mihitsy no asiana fanamboarana
Atomboka amin’ny kilonga anaty fampianarana
Miampy fitaizana tsara ho an’ny isam-baravarana

Rasamy

Une réflexion au sujet de « Ny azy sy ny antsika »

Laisser un commentaire