Maimbo helika

Maimbo helika

Malaza indray izao
fa tao Tsimbazaza tao
hono nisy maimbo helika
nefa pelipelika
tsy azo notenenina
fa nanao be marenina.
Nibosesika ihany
ka namofona aok’izany
tao an-dapa tsara be
fivorian’ny depiote.

Dia niakatra ny feo
Mivoaha aloha nareo
Roak’aliaka tsy ankitsitsy
Tsy natao ho an’olombitsy
fa mpanao gazety maromaro
izay tsy tiany hifangaro.
Satria lazainy ho mahakamo
f’angamba tsy mahavidy alamo.
Lazainy fa mamofompofona
Manempotra sy mahakofona

Koa raiketina ho tantara
fa teto Madagasikara
dia nisy hono fivoriana
izay natao mba handaniana
ilay lalàm-pifidianana.
Kanefa dia nosakanana
ireo mpilaza vaovao
mba tsy hanatrika azy tao.
Satria nahoana hoy ‘nareo … ?
Hono maimbo helika izy ireo.

Rasamy

Laisser un commentaire