Ilay fitia

Ilay fitia

Ireny adinay fahiny
efa adino ankehitriny.
Ny henjika sy famonoana
aleo hodiana tsy tsaroana.
Na ilay didim-pitsarana
mariky ny hadalàna
izay niantso figadrana
mbola ao fa tsy hay fafàna.

Kanefa, ….
Angamba adala tamin’ireny
na dia nanarina ombieny.
Ilay fananana voadoro
satria tsy laitra mba natoro.
Ripaka avokoa ny harena
fa tsy nahay nanetry tena.
Nisy koa ny sesin-tany
nandositra any ivelany any.

Nipoitra izao ny fahagagana
f’ireo mpanongam-panjakana
sy ireo mpandoro indray
izay nanimba nanafay
no namana miara-dia.
Tena mahery « Ilay Fitia ».

Rasamy

Laisser un commentaire