Leo sy tofoka

Leo sy tofoka

Tena leo sy tofoka
fa tsy afaka mikofoka
ny Vahoaka tan-dalàna
nohon’ny ataon’ny fanjakana.
Manampatra ny heriny sy ny fahefany
mba hifikirany amin’izato fitondrany.
Nefa feno fangalarana sy fitiavan-tena
Mieboebo fatratra, tsy manetry tena.
Tsy mba zatra mihaino, fa manao be marenina
Mbola miziriziry sy sarotra tenenina
Ny fihetsiny rehetra dia tena higagana
fa manome vahana mpanongam-panjakana.
Ny maro an’isa no mijaly mizaka izato ngidiny
Tsy manana safidy fa miharitra tsy fidiny

Tena leo sy tofoka
fa tsy afaka mikofoka
ny ankamaroan’ny olona.
Noho ireto sasany milaza ho « mpitolona »
migrevy sy milahatra eny an-dalambe.
Mameno isan’andro ilay « 13 mai ».
Na efa hita izao fa manimba firenena
ireo mpanao politika izay mibata fandresena
izay mandrebireby sy mpitarika amin’izany
dia tsy ahoany akory, fa mbola arahiny ihany.
« Vahoaka » hafahafa tsy mahay maka lesona
fa mora hadalaina, sady mora « miesona ».
Mora arebireby sy ataony kilalao.
Mitondra ny takaitra sy maty lava izao.

Rasamy

Laisser un commentaire