Misy olona isan’andro
Tsy maraina tsy antoandro
Hafahafa mahavariana
Tsy mba misy fifaliana
Fa mimenomenon-dava
Mitsikera lalandava
Hita soritra amin’ny tavany
S’izay avoakan’ito vavany
Ny fomba fiaina sy fisainana
Tsisy afa-tsy fitarainana
Nefa tsy mahantra akory
Na fadiranovana sy ory
F’angamba efa voa ny sainy
Tsy hainy intsony izay ilainy
Miiba lalandava izao
Ny firesany henonao
Hahitany tsininy avokoa
Izay hitany etsy sy eroa
Toa rakotra aizina ny fony
Tsy maha-te hihaino intsony
Fa mampandositra avy hatrany
Ny karazan’olona toy izany.
Rasamy