Mpitsiriritra

Mpitsiriritra


Mahagaga f’any ho any
misy foana hatrany hatrany
mody mba mipitrapitra
nefa hay mpitsiriritra
ny fiainan’olon-kafa.
Hany ka toa hafahafa
ny fihetsiny rehetra.
Lasa ratsiratsy toetra.
Tsy mety faly sy afa-po
f’iriany ho azony avokoa
izay hitany etsy sy eroa
ataony mankarary an-doha.
Moa tsy zary mahatalanjona
fa ny hafa indray no ataony tanjona
tiany mba hifaninanana.
Misy aza mahavariana fa mandrava fihavanana.

Tsy ny eo ampelantanany
sy izay efa mba fananany
no ampitomboiny sy tiaviny
mba hahatsara hatrany ny hoaviny.
Fa mararirary fo
sy be fialonana ihany koa.
Tsy maharitra mihitsy mitsiriritra ny an’ny sasany
Hany k’isan’andro izao dia zary mitsikilo no asany.
Mampijaly ny ao anatiny
Satria dia hita fa tsy tantiny
ny mahita ny hafa mba mamiratra
Ary dia tsy mety mihiratra
ny fony feno fahalotoana
sy sainy lavitra haravoana.
Rahoviana vao ho tsapany fa samy manana ny anjarany
Mpitsiriritra tafahoatra ka takona ny fahasambarany

Rasamy

Sary fampihaingoana : nalaina tao amin’ny Fesiboky

Laisser un commentaire