Indraindray dia mahagaga
Tena mampitolagaga
ny mahita olona tsy matotra
fa mora voafatotra.
Lasa miankin-doha amin’ny zava-tsisy fotony
Vao mainka aza sarotiny
raha sendra ka tenenina hoe ialao io fa tsy tsara
Ianao mananatra azy indray no ataony fa adala
Misy ny voafatotry ny sigara sy rongony
dia tsy tafavoaka intsony.
Malemy dia malemy ary voa hatramin’ny sainy
Ka na efa sempotsempotra hila ho afaka aza ny ainy
Dia tsy miezaka miady
Hanala ity fatorana mamatotra mianjady
Vao mainka aza loza fa miankin-doha tanteraka
Tsy hamelany mihitsy na marary sy efa reraka
Misy indray dia mahavariana
fa tsy mahita fifaliana
na koa fahombiazana amin’ny zavatra atao
Satria dia toaka foana no sotroina lava izao
Na amin’ny andro hariva na maraina vao mifoha
dia tsy miova mihitsy, maimbo toaka makandoha
Tena mivarilavo sy lasa miakin-doha
Misy aza lany henatra mamany am-pataloha
Dia misy koa mandany izay mba vola nisasarany
Mivoaka isan-kalina miloka tsisy farany
Tapitra namidiny aza izay anjara lovany
Nandoavany ny trosany, laniny amin’ny lokany
Tena tsy afaka intsony fa miankin-doha tanteraka
Dia indro fa mahantra hatramin’ireo nateraka
Misy aza moa mampalahelo izato fiafarany
Any am-ponja vao manenina, mijaly mitomany.
Rasamy