Afaka

Afaka

Endrey izany hafaliako
He to ny faniriako
f’ilay zanako izay tiako
sady efa nandaniako
ny herim-poko hatrizay
dia hendry sy nahay.
Ka azony ny diplaomany
Sahaza izato taonany

Mbola ho lavitra ny lalany
Mbola hitohy ny fianarany
ka hiandrandra hatrany hatrany
fahafahana toy izany.
Nefa izaho dia tsy hanahy
satria Ianao koa mbola hitahy.
Koa misaotra re ry Raiko
noho ny amin’i sombinaiko.

Rasamy

Laisser un commentaire