He sambatra ny olona
izay mahay mionona
amin’ny eo ampelatanany
ka n’inona harena sy mety ho fananany
na betsaka na kely,
dia tsy izany velively
no ataony famaharana
ho antom-pahasambarana
He sambatra ny olona
izay misaotra Ilay Mpamorona
amin’ny zavatra rehetra
ka n’inona ataony sy mety ho tarigetra
tiany ho tratrarina
dia manana finoana izy sy manao ny marina
ka ny voka-tsoa azony tamin’ny fisasarana
no mampianoka azy anaty fahasambarana
Rasamy