Gilita be

Gilita be

Tamin’ny alahady teo no natao ny fampisehoana Gilita be izay niarahan’ny mpanakanto marobe tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahan-tena tao Mahamasina. Tamin’ny 3 ora no nanomboka ny lanonana ka nanao rodobe sy nifandimby niakan-tsehatra izy 18 mianadahy ary naharitra adiny dimy be izao izany.

IMG_0888.JPG

Araka ny anarana nomena ny fampisehoana moa dia ny gitara no tena nibahan-toerana teo amin’ny lafiny zava-maneno. Ny amponga maro afitsoka no hany karazan-java-maneno hafa nameno izany izay novelesin’i Naly. Efa ampolony ny isan’ny gitara hita teny an-tsehatra, ka izy telo  mirahalahy dia i Nini Kolibera, Jovin ary i Sefo no tena nandrakotra hatramin’ny farany. Nanampy azy ireo i Luc sy Mahery izay sady nihira ihany koa. Nitendry ny gitarany teny antenantenany teny koa i Njila sy Rija Ramanantoanina ary i Samoela.

IMG_0889.JPG

Ankoatran’ireo voalaza anarana ireo dia nifandimby nihira tao i Tselonina, Goth, Kiady, Benny sy Bebey ary Davis. Telo kosa ny andriambavilanitra dia i Lilie, Inah ary i Fara gloum. Ity farany moa dia nanampy ihany koa tamin’ny fitendrena gitara.

IMG_0881.JPG

Saika hira efa tsy afaka ambavan’ny mpankafy vazo gasy an-gitara no nohirain’izy ireo. Ny ba-gasy no tena nanjaka, fa nisy koa karazan-kira hafa. Nifandimbiasana ny hiran’ny Mahaleo, Lolo sy ny tariny, Njila, Samoela, Tselonina, Tsiakoraka, Rakoto Frah, Njakatiana, Kelly, Eric Manana, sns.

IMG_0865

Nandeha tsiroaroa na tsitelotelo, na mihoatra izy ireo ary anisan’ny niavaka ohatra ny an’i Samoela sy Tselonina. I Samoela mihira an’i « Ravaomaria » ary Tselonina kosa niredona ny « Hafaliana foana ». Dia toy izany hatrany.

IMG_0904.JPG

Kiaka sy horakoraka hatrany no nandraisan’ny mpijery ny hira maredona sy tambabe mahazatra toy ny hiran’ny Mahaleo « Zanak’i Ndrema tsy mahate ho tia, zanak’aliaka tsy vita sonia, jomaka, jomaka, jomaka », teo koa ny an’ny Lolo sy ny tariny : « Ny namorona ny disco dia travolta, ia ia, dia nasiany sipakely, dia nasiany bandikely, …. ». Dia azonao sary an-tsaina ny tabataba sy dihy ary tsambikimbikina ataon’ny mpijery ery afovoan’ny kianja.

IMG_0876

Ho ahy manokana aloha dia mahafinaritra ahy daholo izy rehetra saingy tiako manokana foana ny hira hirain’i Mahery sy Luc, ary mampiavaka ny fampisehoana ihany koa ny fisian’i Goth sy ny hatsikana madinidinika ataony eny antenantenany eny.

IMG_0882.JPG

Anisan’ny nampiavaka ny fampisehoana ihany koa ny fiakaran’ny tarika Randria Ernest zanany izay tarihan’i Donné nandritra ny fialan-tsasatra fohy. Ka nanehoan’izy ireo ny hira sy dihy tena malagasy miaraka amin’ny angorodao, trompetra lehibe, gitara ary amponga.

IMG_0900.JPG

Tao ny maro vao nahalala fa i Donné no namorona ilay hira mitondra ny lohateny hoe « Raitra » izay hiran’ny TARIKA BE no tena nahalalantsika azy hatramin’izay. Hafa dia hafa no nanaovan’izy ireo io hira io tao miaraka amin’ny dihy mirindra.

IMG_0903.JPG

Farany, nisy fotoana tapaka ny jiro nandritra ny minitra maromaro. Delestazy angamba. Nandritra izay dia ny mpijery indray no niara niredona hira tsy nisy mozika narahan’ny horakoraka teny antenantenany teny hoe « Miala Rajao ». Tsy fantatra mazava moa hoe iza ilay Rajao resahin’ny mpijery satria dia tsy nisy hoe Rajao mihitsy ny anaran’ireo mpanakanto teny an-tsehatra.

Rasamy

Laisser un commentaire