Aiza ianareo hoy ilay mpanao politika
Indreto izahay hoy ireo fanatika
Hiaraka hameno kianjabe indray isika
Izahay efa vonona hoy ny fanatika
Kabary lavareny dia arahina mozika
Tena revinay izany hoy ny fanatika
Na andro avy orana na andro mibaliaka
Izahay ho avy foana hoy ny fanatika
Raha te hahazo fahefana dia efa hainareo ny fika?
Ambarao ho fantatray ary hoy ny fanatika
Raha toa aho ka tsy lany dia asiana rà mandriaka
Efa mahazatra izany hoy indray ny fanatika
Tsy maintsy asiana sorona raha tiana ho tafita
Maty ho an’ny tanindrazana hoy ny fanatika
Raha toa moa tsy mahomby, izaho handositra any ampita
Arovanay ianao hoy iretsy fanatika
Dia manohana tokoa amin’ny fo sy ny sainy
Mety hanaraka mihitsy aza ny ainy
Dia mibitabitaka eny ilay mpanao politika
Fa manana Vahoaka mbola fanatika
Efa azoko ny seza fa misaraka eto isika
Teo vao gina tsy nahateny ireto fanatika.
Rasamy