Mivavaka aho satria, mila izany ny fanahiko
Ny vavaka manala izay mety ahiahiko
Mitana ny finoako mba tsy hisalasala
Fa momba ahy hatrany Ilay Raiko izay Malala
Mivavaka aho satria mbola nofo aman-drà
Miady isan’andro amin’ny fakam-panahy
Ka n’inona mitranga ary n’inona hianjady
Ny vavaka no anisan’ny ampinga ho enti-miady
Mivavaka aho satria mbola feno fahalemena
Mangataka isan’andro mba omeny fahendrena
Ny vavaka no fomba hanehoako ny fifonako
Hanjary ho fitahiana ho an’ny ankohonako
Mivavaka aho satria te hidera Ilay Nahary
Noho ny fahalehibiazany miseho miharihary
Na ny zavatra hita maso mamelona ny aiko
Na ireo tsy voatanisa tsy takatry ny saiko
Rasamy