Resak’adala

Resak’adala

Ny vavahady tompoko tsy atao fakana sary
Fa fanidiana trano tsy idiran’olo-tsy manjary
Ny any aminareo re no alefaso fesiboky e
F’aza an-tanin’olona ianareo no misoloky

Ny alikanay re tompoko, dia alika mivovoa
Fa tsy hoe alikakely fakanareo vovoa
Ny vovoa re tompoko dia zava-maniry e
Sa tain’alika indray no ambolena mba hitsiry ?

Ny zaoridira tompoko dia natao fanary
Fa tsy ifamaliana sy fangalana sary
Rehefa tsy mahay tsy aleonareo ve miala e
Toa vendrana daholo manao resak’adala

Rasamy

Sary: Nalaina tao amin’ny fesiboky

Laisser un commentaire