Tena zendana ny saiko,
ô mararirary ny aiko,
mahita anao ry fireneko
toa mahantra foana hatreto.
F’izay nahazo fahefana,
nampanantena fahagagana,
mainka koa nanampy trotraka,
nandavo anao izay efa motraka.
Fa vao mainka aho variana
lasa saina aho ginagina,
tena mihivingivin-doha,
f’ireo mpitondra teo aloha,
nitarika ny fandravana,
noho ny adim-pahefana,
no nofidian’ny maro an’isa.
Nahazo vato an-tapitrisa
Marobe tao ny safidy
fa nivoaka izao ny didy.
Zara f’aotra isan-jato,
no azo tamin’ny isam-bato,
ho an’ireo izay nantenaina,
satria mba hendry sy misaina,
mety hitondra fihatsarana,
hialàna anaty fahantrana.
Noheveriko fa efa leo
ny vahoaka niakam-peo,
nangetaheta fahamarinana,
niantsoantso filaminana.
Kinanjo indrisy nofy ihany
izany fiovàna izany.
Ny teo ihany no hiverina
Ny hadalàny noleferina
Enga anie ka tsy hanenina
Ireo fanatika be marenina
Rasamy