IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA

IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA

Ny IST CHOIR dia sampana antoko mpihira ao amin’ny Institut Supérieur de Technologie Antananarivo. Mpianatra ao amin’ity toeram-pampianarana ambony ity avokoa arak’izany no mpikambana ao aminy. Efa taona maromaro izao no nijoroan’ny IST CHOIR, ary nandritra izay fotoana nijoroany izay dia efa nisy ny fandraisany anjara amin’ny asa fitoriana an-kira isan-karazany na tany anaty fiangonana na toerana hafa koa.

IMG_1565.JPG

Sambany kosa ny IST CHOIR no nanao fampisehoana lehibe anaty efitrano filanonana teto Antananarivo. Izany dia natao tao amin’ny CCESCA ny asabotsy 08 desambra tolakandro. Fampisehoana miavaka izay nanehoan’izy ireo ny talentany sy ny fidirana amin’ny sehatra matihanina ihany koa. Ity fampisehoana ity dia fanamarihana ny fivoahan’ny rakin-kira voalohany nataon’izy ireo.

IMG_E1543.JPG

Naharitra ora telo teo ny fampisehoana ka hira maro fiderana an’Andriamanitra no noventesina. Lohatenin’ny fampisehoana rahateo moa ny hoe « An’Azy Mandrakizay ». Manakaiky kokoa ny gadona gospel ny sangan’asan’ny IST CHOIR. Maredona dia maredona ny feon’izy roambinifolo mianadahy teny an-tsehatra, narahan’ireo mpitendry zava-maneno teloambinifolo miandahy ihany koa.

IMG_1529.JPG

Ny tapan’ny voalohany tamin’ny fampisehoana dia nifanesisesy ireo hira mampientanentana ny fo sy hira mihetsiketsika nefa mifono tonon-kira mafonja, toy ny « Mila Anao aho », « Mbola tsy tara », sns. Namarana ny tapany voalohany ilay hira mitondra ny lohateny hoe « Jesosy no tompon’ny lakile » izay nampitsangana ny mpijery rehetra.

IMG_1544.JPG

Tamin’io tapany voalohany io koa no niakatra an-tsehatra niara-nihira tamin’ny IST CHOIR i Mirado sy Isaia izay vahiny manokana nasain’izy ireo. Narahan’ny horakoraka tsy ifandrenesana nataon’ny tanora mpijery moa ny fiakaran’izy mianadahy ireto. Nohirain’izy ireo miaraka ohatra ilay hira hoe « Omeko Anao ny foko ».

IMG_1539.JPG

Ny tapan’ny faharoa manontolo kosa dia ny tarika Singers of Jesus no nanao azy. Ary dia nifandimby nohirain’izy tao ireo hira efa nampalaza azy ireo hatrizay toy ilay hira hoe « Malalany ». Fantatra ihany koa amin’ny hira maredona dia maredona anaty mozika mafanafana sy feo maro lafika moa ity tarika ity.

IMG_1546.JPG

Namarana ny fampisehoana tamin’ny tapany farany moa ny IST CHOIR ka ny nampiavaka azy dia ny fanamiana nentin’izy ireo nanao pataloha miaramila. Tiany entina mampiseho amin’ny mpijery fa miaramilan’i Kristy handeha hitory filazantsara izy rehetra.

IMG_E1559.JPG

Nampiavaka ity tapany farany ity ny fisian’ny tovolahy iray izay nampiasa solosaina sy vatakely mampandihy na antsointsika hoe DJ. Nijoro vavolombelona moa ny lehilahy ny amin’ny tantarany ka nahatonga azy hanao DJ amin’ny resaka hira fitoriana fotsiny. Nandray fitenenana ho fisaorana sy famporisihana ny IST CHOIR ary fisaorana ny mpanatrika ny Tale Jeneralin’ny IST.

IMG_E1556.JPG

Izaho manokana aloha dia nahita fa tsara sy raitra ny fampisehoana ary efa matihanina tanteraka. Koa mamporisika hatrany ny IST CHOIR amin’ny zavatra izay ataony. Marihina fa ankoatra ny IST CHOIR, dia betsaka ny sampana misy ao amin’ny IST, toy ny sampana kabary, dihy, fianarana teny vahiny, fanatanjahan-tena isan-karazany, sns. Izany moa dia tafiditra ao anatin’ny teny filamatry ny sekoly manao hoe « Technicité et compétences, rigueur et discipline, bonnes relations humaines ».

48361422_2170014493049988_5214021457608179712_o.jpg

Rasamy

Laisser un commentaire