Faly aho androany fa afaka nifidy
Nandeha nihazakazaka namita ny adidy
satria mahatsiaro tena
fa olom-pirenena.
Tsy olona nigadra aho na noverezin-jo
ary olona hary saina sy ampy taona koa.
Ka nahoana moa no tsy hamita ny adidiko?
Tsy omeko olon-kafa mihitsy ny safidiko
Na ho lany na tsy ho lany izay olona fidiako
Tokana ihany ny ahy no mba faniriako
dia ny hanjakan’ny fahamarinana
sy hisian’ny filaminana
eto amin’ny fireneko.
K’izay vokam-pifidianana mivoaka eo dia ekeko
Hiandry izay ho vokatra aho, anaty fitoniana
Laviko ny fandrangitana miaro fihantsiana
Haneho fahendrena sy hivavaka mangina
Mba hanjaka eto amin’ny taniko ny firaisan-kina
Rasamy