Raha toa aza tsy lany ilay nofinidinao
Ny didim-pitsarana no arahintsika izao
Aoka ianao tsy ho kivy, na koa harary fo
Manko tokana ihany no tsy maintsy atao Filoha
Tsarovy fa ny fiainana dia tsy mifarana eo
Ny resam-pifidianana no tapitra hatreo
Aleo ny pejy hivadika, hiova ho hafa indray
Ady amin’ny fahantrana no aoka hampiray
Ny andaniny angatahina ho faly am-pahendrena
Ny ankilany ihany koa mba hanaiky faharesena
Ny rehetra kosa samy hiandrandra hoavy tsara
Ary aoka tsy hanozona an’ny Madagasikara
Samia manohy ny fiainany ao anaty fifaliana
Hahita fahombiazana amin’ny seham-pihariana
Ka zary ho finaritra ny isan-tokantranony
Izy kosa irina hahavita ireto veliranony
Rasamy
Sary : nalaina tao amin’ny fesiboky