Mpisolelaka

Mpisolelaka

Rehefa miova ny Andriana dia miova koa ny Sata
Na tiana na tsy tiana dia miova ireo Tandapa
Misy ireo miala ka mangasihasy kely
Fa misy indray mibontsina tsy hita velively
Na izany na tsy izany dia tsy maintsy misy foana
Tena mahavariana f’asa loatra re nahoana ?
Ireo olona mamadika indray ny palitaony
F’izay no mahazatra sy fomba amam-panaony
Raha mangamanga ohatra teo aloha ny sary
Dia miova tampotampoka ho volomboasary
Tsy vitan’ny tsy tiany fa olona nompainy
No indro indray dokafany sy indraindrainy
Tsy manan-kambo intsony fa toa mivaro-tena
Seza no ilainy mba hangoron-karena
Vola, voninahitra no tena mba katsahiny
Hany ka amidiny hatramin’ny fanahiny
Mivadika ny lelany sy zavatra lazainy
K’ilay nafokainy, lasa olona hajainy
Mivoaka an-gazety satria mampiasa felaka
Izay no tetikadin’ireto mpisolelaka
Rasamy

Laisser un commentaire