Ô ry namako mpifoka eto amin’ny tanàna a!
Mba saino kely ange izato fahasalamana e
Aiza ve rey olona ka afo tsy mba maty
Setroka mamono no ampidirina any anaty
Manimba havokavoka miteraka hasemporana
Sigara lava izao no fohana sy dorana
Angaha vitan’izany fa jereo anie ity vidiny
Na aza mihalafo dia miharitra ny ngidiny
Sigara firy monja dia efa vary iray vilia
Vary miampy laoka sy lasary voatabia
Aretina tadiavina mihitsy ny anareo
Sady maimbo vava no miova hatramin’ny feo
Jereo ny sary asehony aza efa mila vaniny
Nefa toa vao mainka koa ‘nareo mifikitra aminy
Ny soratra lazainy efa mampihivingivin-doha
Mainka koa ‘nareo anefa toa miraikim-po
Fa ny tena loza dia izahay izay tsy mifoka
Na ankizy, na lehibe na olona bevohoka
Dia mizaka ny mangidy noho ny setroka sigara
Na anaty trano io, na eny ambony fiara
Ianareo no miakin-doha sy efa vonona harary
Dia ny fianan’olon-kafa indray no lasa tsy manjary
Fara-faharatsiny mba mahalalà re fomba e
Hajao ireo tsy mifoka f’aza atao somonga
Rasamy