Iarivo dibo-drano

Iarivo dibo-drano

Dibo-drano indray izato ianao r’Imerina
Rava ilay tanànan’Andrianampoinimerina
Satria ireo noheverina hanatsara sy hanamboatra,
no mainka mampitroatra,
ny zavatra nataony.
Manko tsy nahoany,
fa ny lemaka rehetra fivarinan-drano
no tsy nananany antra, navadiny ho trano.
Nototofany avokoa,
fa tsy namakiany loha,
ireo tany lemaka nampiavaka an’Iarivo.
Manjakazaka tokana ireto mpanarivo
Manampatra ny volany sy ny fahefany
Kanefa dia indrisy, mandrora mitsilany

Moa koa tetsy andaniny
tsisy fitsaharana fa nifampila vaniny,
ny mpitantana tanàna,
sy mpitondra fanjakana.
Tsisy raha nanjary
fa tototry ny tany avokoa ny tanimbary.
Tsisy fanavaozana ihany koa ny lakandrano
Tsy Besarety irery intsony izao no dibo-drano,
fa avy eny Analakely ka hatreny Ankorondrano,
avy eny Tanjombato ka hatrany Ampefiloha,
Ranobe mangeniheny an-dohalika avokoa
Mazava hoazy moa fa tsisy fahagagana
Difotra tanteraka ny eny ambany tanàna
Aiza no aleha, inona no atao?
Very re r’Iarivo ny mahaianao anao

Rasamy

Sary fanaingoana: nalaina tao amin’ny fesiboky

Laisser un commentaire