Mpisandoka

Mpisandoka

Maro ireo mpanefoefo tsy misy toy izany
Kinanjo hay mpisandoka amin’ny fivarotan-tany
Na tanin’olon-tsotra io na tanim-panjakana
Amidiny amboletra tsy manaraka lalàna

Misy ny misandoka ho polisy sy zandary
Kanefa jiolahy mpandroba tsy manjary
Fa misy ihany koa ny zandary sy polisy
Mivadika ho mpanafika, « misandoka ho milisy »

Misy ny misandoka fa izy hono injeniera
Kinanjo izay atsangany hatahorana hianjera
Mitobaka ihany koa ny mpanamboatra diplaoma
Avy eo vao latsa-nenina migadragadra foana

Misy ny misandoka ho mpitondra fivavahana
Nefa tsy mahafehy ny fitaovam-pananahana
Mahay mitoriteny eny ambonin’ny alitara
Fa rehefa any ambadika dia be no azo ambara

Tsy anavahana intsony na ambany na ambony
Ny mpanao vola sandoka efa tsy lazaina intsony
Resam-pisandohana no mameno fitsarana
Na olona mpihavana io na koa mpiray tanàna

Maro ireo mpisandoka eny amin’ny fesiboky
Mpizara teny fiainana nefa mpisoloky
Miova endrika daholo satria moa tsisy bedy
Dia misandoka ho Poeta koa zahay Mpirediredy.

Rasamy

Laisser un commentaire