Sipako taloha

Sipako taloha

Hitako androany, tany an-tsena tany, ilay sipako taloha.
Asa re izy iny na ilay fahafiry moa?
Maro ihany mantsy ka tsy tsaroako intsony
Loza mihitsy moa isika lehilahy itony
Tadidy tsara kosa aloha anefa tamin’izany
f’izy mpihantahanta sy mpitomanimany.
Mody tsy mahatanty ny sangy izay fanaoko
Tsy namelako moa, fa mainka koa nataoko.
Toetrany ankiray mba nampiavaka azy
ilay izy tsy mba rototra amin’izany mariazy.
Mantsy satriny ihany miarakarak’eny
Tsy nahoany akory izay tenin-dray sy reny

Fa nahakamo ahy izy ilay mpangata-dava
Sady tsy ankiandry fa miaraka amin’ny vava
Angatahiny ny vola sy ity zava-drehetra ity
Vola hay no ilainy fa tsisy ilay fitia
Tsy vitako intsony fa leo aho nony farany
Ka hoy aho mantsy azy teo ambony farafarany:
« Ny fitia re rahavana tsy fitadiavam-bola
f’aleo any ankafa indray ianao midoladola ».
Dia iny aho no lasa ary tsy nimpody koa
Androany vao hitako iny indray ilay ramatoa
Tsy mandeha miantsena mitondra entam-be
fa mivarotra legioma eo amoron’arabe.

Rasamy

2 réflexions au sujet de « Sipako taloha »

Répondre à hery Annuler la réponse.