Sorena ery ny maro rehefa mba mandeha
Na amy lalankely na eny an-dalambe
Zary mihafihafy matahotra aok’izany
F’injay feo mibetroka avy any aoriana any
Feona môtô an’ireo mpisetrasetra
Mihataka avokoa ny olona rehetra
Tsy mahalala fomba fa toy ny olon-dia
Mihevitra azy ho henjana sy mafy be ery
Misisisisika eny fa tsisy fanajana
Tena mafy loha tsy manaraka lalàna
Misy ireo mandona dia iny fa mitsoaka
Ny sasany amin’io sady mamo toaka
Isan’andro izao dia manao lalam-poza
Moa va mahagaga raha toa ka iaran-doza?
Firifiry akory izy ireo no efa dangy
Io fahafatesana io heveriny ho misangy
Mba mitandrema ihany re fa tokana ny aina
Aza ny môtô no hanaovana besaina
Ny tampoka hono mantsy tsy mahalehilahy
Ndrao ny setrasetranao koa no hahafaty ahy
Rasamy