Tsy ampy lahy?

Tsy ampy lahy?

Misy vehivavy dia marikivy lava
Tsisy andro iray mba miramiran-tava
Kizitizitim-poana sy mora misafoaka
Tsy mahatehotia fa zary mampitsoaka

Romodromotra eny amin’ny antony tsy hay
Na andro mangatsiaka na andro mahamay
Vinibinitr’endrika toa tsy afa-tsorisory
Toy ny vizan-dava tsy mba mahita tory

Moa toetra noforonina va re sa natoraly ?
Na aza manam-bola  fa tsy olona  mijaly
Dia mahavariana loatra ny toetra sy fisainany
Sa ve lehilahy no tsy ampy amin’ny fiainany?

Rasamy

Laisser un commentaire