Ireny olona ireny

Ireny olona ireny

Taon-dasa tsy tsaroana tokoa re ny fahiny
Fony izy nihirahira an’iny lalana iny
Tsisy tsy nokianina sy nodradradradraina
Izay zavatra tsy nety sy nampitaintaina
Na jiro maty lava sy rano tsy mandeha
Na ny toetran’ny mpitondra feno rehareha
Na tamin’ny fesiboky na tamin’ny onjam-peo
Kiana tsisy farany toa zary nankaleo

Niova izao ny tantana dia niova ny fiteny
Nahazo seza mantsy ireny olona ireny
Mba inona no niova ka tena nihatsara?
Toa miverimberina foana ny tantara
Ny jiro sy ny rano samy matimaty lava
Ny resa-pitantanana tsisy mba mazava
Ô rey olona ô, anareo ny fitenenana
Ny vahoaka miaina anaty fahasorenana

Rasamy

(Sary indrana)

Laisser un commentaire