Velirano adaladalako

Velirano adaladalako

Hilatsaka ho fidiana aho ry vahoaka malagasy
Ka velirano folo no ataoko an-taratasy
Ny fitiavana manosika ny foko sy ny saiko
Tsy maintsy tanterahiko foana izay lazaiko

Inona hoy ianao ny velirano voalohany ?
Ho rambony isika fa tsy natao ho lohany
Arosoko indray ny velirano faharoa
Ny akamako no tena hahazo tombontsoa

Dia tohizantsika amin’ny velirano fahatelo
Gadraiko ireo mpanohitra ananako alahelo
Tsy adino ihany koa ny velirano fahaefatra
Ny vahoaka manontolo no hizaka izay mavesatra

Dia ahoana indray ny velirano fahadimy ?
Hahazo laka hatrany ny mpandraharaha vahiny
Fa ny tsara indrindra dia ny velirano fahaenina
Ireo hifidy ahy dia mbola holatsain’ny nenina

Henjana ihany koa ny velirano fahafito
Tsy asiako jiro intsony fa ataoko maizimpito
Mifandraika amin’izany ny velirano fahavalo
Maizina ny tany dia hanjaka ny dahalo

Fa tsy maintsy ataoko koa ny velirano fahasivy
Tsy omeko rano intsony dia torovana sy kivy
Ary n’inona n’inona lazaiko ho velirano fahafolo
« Merci prezida » hoy ny mpanohana bontolo

Rasamy

Sary fanaingoana: nindramina tao amin’ny fesiboky

Laisser un commentaire