Fampisehoana, lanitra mangamanga

Fampisehoana, lanitra mangamanga

Fampisehoana miavaka sy nahafinaritra no niseho tao amin’ny PLAZA Ampefiloha tamin’ny zoma 13 desambre 2019 lasa teo. Nanomboka tamin’ny valo ora alina mahery kely ny fampisehoana ary tsy nifarana raha tsy efa nipaika ny misasakalina. Ny FISA na Fianakaviana Sambatra moa no nikarakara ity fampisehoana ity.

IMG_20191213_230901.jpg

Nanafana izany fampisehoana izany izy dimy mirahalahy : Rija Ramanantoanina, Nini Kiaka, Poon, Mahery ary Fy Rasolofoniaina. Na dia azo lazaina ho vitsy aza ny mpijery tonga dia tena nahafa-po tanteraka ny fampisehoana nataon’izy dimy mirahalahy ireto niaraka tamin’ireo mpitendry dimy mirahalahy hafa izay tena matianina tanteraka.

IMG_20191213_205426.jpg

Lanitra mangamanga no anaran’ity fampisehoana ity ary dia io hiran’ny tarika Salala io arak’izany no nanokafana ny lanonana. Nisesisesy avy eo ny hira isan-karazany izay an’ireo mpanakanto malagasy malaza izay nahatsiarovana ny fahatanoranay.

Samy nifidy hira roa avy izy dimy mirahalahy tamin’ny tapany voalohany. Hira telo avy teo kosa tamin’ny fidirana faharoa. Ankoatran’izay dia misy mazava hoazy hira marobe niarahan’izy rehetra.

smart

Hiran’ny Kiaka, Iraimbilanja, Kelly Rajerison, Mahaleo, Eric Manana, Bodo, Poopy, Lalatiana, Black Jacks, Nono, Rakouth, Besa, sy maro hafa koa no nifandimbiasan’izy ireo. Saingy dia notendrena sy narindra tamin’ny fomba maoderina niangalian’ireo mpitendry. Tsy nahamonamonaina mihitsy na kely aza satria dia nifangaro tao daholo ny karazan-kira malaza fahizany ka hatramin’izao.

IMG_20191213_223242.jpg

Nampihetsim-po manonkana ny hira nataon’ny Mahery sy Rija Ramanantoanina izay nampiaram-peo nanao ny hiran’i Dadah sy Fafah izay fantantsika fa nindaosin’ny fahafatesana vao tsy ela akory. Nandritra ny hira moa dia niseho tery amin’ny rindrina ny sarin’izy roalahy tao amin’ny tarika Mahaleo ireto.

IMG_20191213_225349.jpg

Ny hiran’ny tarika Iraimbilanja hoe « Loza » no namaranana ny fotoana tao anaty kiakiaka sy hafaliana nasetrin’ny mpijery izay nalaina nisaraka, nefa ny famataranora efa nanondro tamin’ny 12 alina.

IMG_20191213_232214.jpg

Laisser un commentaire