Hafatry ny Reny Mpiahy

Hafatry ny Reny Mpiahy

Izaho Reny mpiahy dia manolotra ny fiarahabana
Ho anareo r’Ilaimaharitra, izay nanovo fahalalàna
Niezaka mba ho tafita ka dia tojo hatramin’ny farany
Noraisin-tanana androany fa nahavita ny fianarany

Izao no hafatro ry zandriko izay nahazo diplaoma
Ny anaran’ny sekolintsika hololoavina eny foana
Ka aza atao tsinontsinona n’aiza n’aiza misy anao
Fa asondroty lalandava n’inona n’inona asa atao

Mijoroa mba ho modely amin’izay atao rehetra
Milofosa isan’andro mba hanatratra tarigetra
Ka ho tena olom-banona hampandroso firenena
Ho lovain-jafy anie ny fahaizana sy fahendrena

Koa indro aho mitsodrano, mahaleova mahalasàna
Misondrota amin’ny avo dia mitomboa fahatsarana
Tsy handrarak’ilo mby an-doha fa vehivavy sy lehilahy
Sady taviny no volony, vonona ary tena sahy

Rasamy