Hay mpifankatia

Hay mpifankatia

Tao an-dakilasy no niseho ny tantara
Ramose variana ka tsy nahalala tsara
Fa ireto tovovavy sy ireto tovolahy 
Hay mpifankatia fa tsy akory mpianadahy 

Bonaika be zareo rehefa ao am-pianarana
Tsisy ny fihetsika mba nahafantarana
Fa ranona sy ranona anie ka ohatr’izao
Taraiky Ramose fa tsy naharaka vaovao

Mody menamenatra tsy tia misehoseho
Kanjo hitan-dRamose tampoka anikeho
Tanaty fesiboky nandefandefa sary
Tsy miafina intsony fa dia mibaribary

Ny sasany aza moa tena tsy mba vazivazy
Fa sary tena matotra efa vita mariazy
Dia gaga Ramose, ka niteny irery
Hay ‘reto ohatr’izao fa nanao fangalam-piery

Nasain-dRamose nanao devoara niaraka
Hay izany ireto izy ka ilaozany nampiaraka
Dia tsy nifankafoy fa nilamina ny sera
Sady nahazo vady no nivoaka injeniera

Rasamy

Laisser un commentaire