Tao anatin’ny dia nataoko tao La Réunion nandritra ny volana febroary 2020 teo dia nisy ny fihaonana manokana tamin’ireo malagasy monina ao St Dénis. Fihaonana ara-koltoraly izy ity izay natao indrindra mba hampisehoana amin’izy ireo ny boky izay novokariko. Dia tsy inona akory izany fa ilay boky mirakitra ny tononkaloko mitondra ny lohateny hoe « Hafatra », sy ilay boky momba ny fizahan-tany mitondra ny lohateny hoe « Voyages & Découvertes à Madagascar.
Ny alin’ny zoma 21 febroary no natao ny fihaonana ka nanomboka tamin’ny 7 ora hariva. Nisy moa ny fanasana nalefa tamin’ny tamban-jotra sosialy andro maromaro mialoha io hetsika io. Arak’izany dia maro tokoa no tonga namaly ny antso. Azo lazaina ho feno ny toeram-pisakafoanana Dragon Royal izay nanaovana ny hetsika tao St Dénis.


Nanokatra ny fotoana ny hira nataon’ireo tanora malagasy izay manao fikarohana ao amin’ny Oniversity ao Tampon. Telo mirahalahy izy ireo izay manana talenta tokoa amin’ny fitendrena gitara sy fihirana. Nanelanelana ny tontonkalo arak’izany ny hira gasigasy nataon’izy ireo. Nifandimby nataony tao ny hiran’ny Mahaleo, Ifanihy, Eric Manana, sns.

Nanelanelana ny hira mazava hoazy arak’izany ny tononkalo izay nataoko. Araka ny efa fantatrao izay mpamaky ity takelaka Rediredin-dRasamy ity moa dia misandrahaka amin’ny sehatra maro ny aingam-panahiko. Ary dia toy izany koa ny tononkalo novakiako nandritra ity seho ara-koltoraly ity. Tao ny tononkalom-pitiavana, ny momba ny tanindrazana ary tsy adino ny tononkalo mampihomehy izay nahafaly manokana ireo mpanatrika.

Ankoatra ny antsa tononkalo sy ny hirahira dia nisy ihany koa ny fotoana manokana nanazavana momba ny boky ary indrindra nanehoana ireo bilaogy anankiroa izay tantanako dia ny « Rediredin-dRasamy » amin’ny teny malagasy, sy ny « Blog de Rasamy » amin’ny teny vahiny.

Ankoatra ny tenako sy ireo namana mpihira avy ao Tampon voalaza etsy ambony, dia nisy ihany koa ireo olona mpanatrika no nandray anjara tamin’ny fanafanàna ny fotoana nentanin’ny fitiavana sy ny hafanam-po. Ka anisan’izany ohatra ny Pasitera Ravalitera mivady izay nandray anjara hira. Ny Pasitera Ravalitera moa dia mpanoratra ihany koa ka dia nanao tononkalo ihany koa arak’izany.

Nisy mpandray anjara hafa ihany koa nanolotra « SLAM » dia tsy iza akory fa iray amin’izy telo mirahalahy mpikaroka avy ao Tampon ihany. Ary farany fa tsy adino dia ny fandraisan’anjaran’i Tojo izay mpihira ao amin’ny tarika R’Imbosa izay nanao hiran’i Barijaona. Izy moa dia nandalo nandritra ny andro vitsy tao La Réunion ihany koa ka nifanojo tao arak’izany.

Nandritra ny lanonana moa dia nisy ny sakafo niarahana nihinana. Ka irony sakafo sinoa antsoina hoe « Buffet chinois » irony no naroson’ny Dragon Royal tamin’izany. Raha fehezina izany dia sady voky tanteraka ny kibo no nahita fifaliana tanteraka ny saina amam-panahy tamin’ny zava-niseho rehetra nandritra io alina ara-kolotoraly tao St Dénis La Réunion io.

Eto am-pamaranana dia mamerina ny fisaorana eram-po eran-tsaina ny namana nikarakaraka ny fihaonana ary ireo rehetra tonga namaly ny antso. Andriamanitra anie hamaly fitia ho anareo rehetra.
Rasamy