Mafy ny mahazo ity raim-pianakaviana
Misoritra amin’ny endriny ny fahakiviana
Ny asa fivelomany efa tena manahirana
Ny hofan-trano sy ny sisa tsisy mba mangirana
Dia indro miampy indray izato adin-tsaina
Satria voalaza mantsy fa sisa isa-maraina
no afaka mivoaka mitady asa kely
noho ny aretina mandoza manambana hamely
Aretina mifindra, miparitaka eran-tany
Raha toa ka tsy mitandrina dia voany avy hatrany
Aretina mamono, mbola tsisy fanafody
Firifiry no efa lasa any amin’ny vary tsy mifody
Dia aiza no aleha, inona no atao ?
Mafy loatra mantsy izao mianjady izao
Efa lany ringana ny vola eny an-tanany
Inona indray no omeny ireto zanany ?
Ketraka tanteraka, sahirana ny sainy
Mijery sy mandinika ireto sombiniainy
Hijanona ato an-trano ho fatin’ny hanohanana
Hivoaka indray ny aretina toa sarotra sakanana
Moa koa etsy andaniny ny ataon’ny fanjakana
Hentitra dia hentitra mampihatra ny lalàna
Tsy afaka mivoaka aorian’ny mitatao vovonana
Fa mihiboka an-trano avokoa ny ankohonana
Nefa, tsy manana safidy izy fa dia mivoaka ihany
Satria, … ny hohanina anio, tadiavina androany.
Rasamy
Sary fanehoana: nindramina nalaina tao amin’ny Fesiboky