Raha mbola velon-dreny

Raha mbola velon-dreny

Raha toa ka mbola velona ilay reninao niteraka
Na aza efa antitra lazainao fa mandreraka
Dia tsarovy foana, raiketo ao an-doha
Fa iny anie ilay Reny izay nahitanao soa

Ilay nitondra am-bohoka efa ho sivy volana
Tsy nanala zaza nandray anao ho olana
Matoa ianao koa velona dia tiany amin’ny fony
Satria dia fanomezana avy amin’i Ray ambony

Mahaiza mankasitraka, manao valim-babena
Ataovy amin’ny fo fa tsy sanatria terena
Na misy fahalemeny satria mandia tany
Dia tsy hafa akory izy iny, fa reninao ihany

Ny mahazo ireo kamboty aza anie efa tsy fidiny
Mahatsiaro sisa mizaka izato ngidiny
Ianao io mbola sambatra raha tsy toa azy ireny
Misaora an’Andriamanitra raha mbola velon-dreny

Rasamy

Laisser un commentaire