Ny reny foana mantsy no lazaina
fa tena tia ny sombinaina
Toa izy irery ihany
no ambara hatrany hatrany
fa tena tsy mahafoy sy mikarakara
ireto zanaka amam-para.
I dada kosa etsy andaniny
na miahy mafy ny ankaniny
toa tsy lazaina loatra ny herim-po izay laniny.
Nefa izy dia mangina
fa ataony ho fifaliana
ny mahita an-janany, ravo sady faly
Sanatria aminy ny hahita azy ireo mijaly.
Rasamy