Mbola ho hita ve ny marina
tamin’ny vola nangalarina
nalefa anio sy omaly
any am-paradisa fisikaly?
Mbola ho hita ve ny marina
ka ho gadraina sy tratrarina
‘reo adala mafy hatoka
nanimba sy nandoro vakoka?
Moa tena tsy hita ve ny marina
sa mody sarotra takarina
nefa rà mandriaka miharihary
toy ilay fito febroary?
Rahoviana re ny marina
no havoaka sy fantarina
ka ho fantatra mazava
ny raharaha Ratsimandrava?
Tsy hita intsony re ny marina
Tsy avelany mba ho fongarina
Isika nentim-pahatsorana
Nanantena famotorana
Rasamy