Moa va re mba fantatrao
fa amin’izao ora izao
misy olona mijaly
any anaty hopitaly
Tsy afa-miarina am-pandriana
na dia manam-paniriana
mba hivoaka isan’andro
na maraina na antoandro.
Na ny tongotra aman- tanany
tsy afa-miasa ho an-janany.
Tsy afaka mba miala voly
na hamonjy ny tempoly.
Eny indrisy tsy afa-bela
Ny aretina no tsy mamela
Moa va re mba fantatrao
fa any ho any koa izao
misy olona nikasa
hanohy hitady sy hiasa.
Tsy nanan-java-nangalarina
fa niezaka nanao ny marina.
Tsy variana nilalao
na hoe nanao ny tsy fanao
fa te hanoratra tantara
hanao zavatra mba tsara.
Te hanatratra indray ny tanjony
kanefa tapitra ny androny
Toa tsy hitahita akory
dia maty fa tsy hoe matory.
Ianao kosa sombinaina
raha mbola velona sy miaina
salama tsara tsy marary
dia misaora an-Janahary
Koa hahenao ny fitarainana
Hatsarao koa ny fisainana
Mahaiza makafy ny fiainana
Rasamy
Sary fanehoana: nalaina tao amin’ny fesiboky