« Mifalia » sy « Miravoa »

« Mifalia » sy « Miravoa »

Anaty fo feno hafaliana
Saina feno fitsikiana
No andraisako ny peniko
Ka hanoratako ny teniko
He taona maro mantsy izay
No efa niandrasanay
Ity andro mamy loatra
ö ry Ray ô Misaotra
Dera no Asandratray
Ho Anao Mandrakizay
Misaotra noho ny valim-bavaka
Hafa loatra tena miavaka
Niangavy mantsy dia nomena
Nitaraina dia nekena
Niantso dia novaliana
Ka indro feno fifaliana
Maminay ity andro ity
ô ry « Antso Mifalia »
sy ry « Antsa Miravoa »
Arahabaina Tonga soa
Tena faly i Dadatoa

Laisser un commentaire