Voady vao

Voady vao

Ny andro moa ririnina
Mangatsiaka mamanala
Etsy ianao fihinina
Ry vadiko malala
Zaraiko hafanana
Fitia mitafotafo
Vao mainka moa mafana
Eto am-pisoronan’afo

Dia lasa eky ny saina
Mandinika ny lasa
Be ireo nosedraina
Maro ireo kinasa
Tao ny adiady
Sy ny kisakisa
Ny olana nianjady
Tsy hary ho voatanisa

Fa maro koa ny tsara
Be ny lavorary
Ny dimby sy ny fara aza
Nomen’Ilay Nahary
Ny vola sy fananana
Ny tanjona nirina
Izay teo am-pelantanana
Dia samy nifaliana

Nihodina ny ora
Ny andro sy ny volana
Tsy mba moramora
Ny fisedrana olana
Efa ho firy taona
Niaraka hatrany
Havaozintsika etoana
Ilay voady tamin’izany

Rasamy

Laisser un commentaire