Mahagaga mihitsy ny fisainantsika
Fa raha sary mampiseho endrika amam-bika
Dia indro mihazakazaka miara-mankafy
« Mi-jaime » daholo mahita « selfie ».
Faly ery mizara ilay sary indray mipika
« Photoshop » koa mahavita zavatra majika
Dedaka mahazo « sary fo » be dia be
Miampy « coms » miteny hoe « ndry tsara tarehy».
Dia iny fa mibitaka
Ny volo amin’io somary aparitaka
Ny tratra tsy saronana fa mody haderadera
Izay ilay fesiboky fitaovan-tserasera.
Kanefa etsy andaniny mba misy ihany koa
Sarin’olombelona tsotsotra sady soa
Mampiseho talenta kanto sady tsara
Fa zara raha misy olona « mizara »
Inona no antony? Nahoana loatra moa?
Ny saina mihitsy angamba hoy aho no efa voa
Ity fesiboky ity tsy azo ianteherana
Ny filàna « jaime » tsy manam-pahataperana
Maro ny mpamitaka amin’ny zavatra tsy marina
Misy tsy mitsotra hoe sary nangalarina
Satria moa tsisy bedy fa miaraka ao daholo
Variana lasa adala ao ny vahoaka manontolo
Rasamy
(Sary fanehoana: nindramina tao @ FB)