Kambana

Kambana

Zaza kambana ankiroa
No indreo fa tonga soa
Dia i « Mifalia » sy i « Miravoa »
Misaotra indrindra ry Tsitoha

Misaotra noho ny fitahiana
Endrey ravo ny fianakaviana
Tonga mantsy ireo nirina
Tondraka ny fifaliana

Ny Ray sy Reniny arahabaina
Fa nahazo sombinaina
Nomeny zanaka sahaza
Lehibeaza haingana ny zaza

Dadatoa Rasamy

Laisser un commentaire