Isika asainy mihiboka

Isika asainy mihiboka

Isika asainy mihiboka mijanona an-trano
Voasazy raha sendra tratra alina mivoaka
Fa misy ny mpitondra tsy mody raha tsy mamo
Mirevy any ivelany amin’ny tsaky sy ny toaka

Isika nofeheziny noho ny aretina mandalo
Nampiharany hamehana ara-pahasalamana
Kanefa etsy andaniny nanjaka ny « dahalo »
Nividy rendrarendra tamin’ny volam-panjakana

Isika notereny mba hanaiky izay lazainy
Tsy afaka mikofoka noho ny hery eo an-tanany
Izay mahasahy miteny moa rahonany gadrainy
Fa ny azy no nitombo ny vola sy fananany

Na izany aza anefa, soa fa tsy izy rehetra
No zary ratsy saina mpanararaotra fahefana
Fa mbola misy ihany mpitondra tsara toetra
Miasa am-pahendrena sady feno fahalalàna

Rasamy

(Sary indrana)

Laisser un commentaire