Misy ny masazy manala havizanana
Orina daholo ny tongotra aman-tanana
Ny kibo sy lamosina, valahana ihany koa
Hatrany am-paladiha ka hatrany an-tampon-doha
Fa misy koa hono masazy hafakely
Masazy izay ataon’ny tovovavy manjakely
Tsy manala vizana fa safosafon-tanana?
Masazy sandosandoka misy « famaranana »
Rasamy