Zarazarainy

Zarazarainy

Teti-panorina hatramin’izay
Fomba fiadin’ny mpanjanan-tany
Ilay mampisaraka tsy mampiray
Fa zarazarainy mba hanjakany

Dia iny fa roboka koa ry voazanaka
Niady an-trano tsy nifankatia
Mbola tohizan’ireto taranaka
Toy ny voaozona re sanatria 

Rahoviana vao mety ho tonga saina 
Tsy hanaiky intsony ny ho ampiadiany
Ny fitambarana mantsy no ilaina 
Ialàna amin’ny tsindrin’ireto vahiny

Rasamy

(Sary indrana)

Laisser un commentaire