Vavaky ny marina

Vavaky ny marina

Tsara ny mivavaka
anaty toetra miavaka
feno fahamarinana,
anaty filaminana.
Ny vavaky ny marina mantsy dia mipaka,
ka mety hampitraka,
ireo lavon’ny fiainana
tsy mety mba tafarina anaty fitarainana.

Fa masina kokoa 
raha arahina asa soa
sy fifanomezan-tanana
ho an’ireo tsy manana,
sy ireo izay miaina anaty fahoriana
ka mila fanampiana, 
izany vavaka izany,
fa tsy eo imolotra sy am-bava fotsiny ihany.

Rasamy

Laisser un commentaire