Na inona sarotra tsy maintsy hodiaviko
Na inona olana tsy maintsy sedraiko
Ny hiverin-dalana kosa dia laviko
Tafita no masaka am-po sy ny saiko
Na inona sakana avy eo anoloako
Na inona henjika avy any aoriako
Tohizako foana ny ezaka ataoko
Tsy maintsy tanterako ny faniriako
Na iza hitsivalana sy hanambany
Na iza hanakivy sy hisetrasetra
Ny sori-dalako tokana ihany
Ndeha hanatratra an’ilay tarigetra
Rasamy