Kabone

Kabone

Fantatrao va re ilay tranokely iray
Efa fanta-daza mihitsy aza izy izay.
Mahay azy daholo
ny vahoaka manontolo
n’aiza n’aiza izany
raha mbola eto an-tany.
Ao tsy maintsy handehanana,
ny taratasy an-tanana,
rehefa injay fa tonga ilay tokony atao.
Na ny mpanjaka aza tsy maintsy miditra ao
Sady fangerena izy no toerana fisainana
Tranokely tsotra fa ilaina amin’ny fiainana

Soa fa nisy azy fa tsy mba vazivazy
Izay tsy manana aza tokony ho voasazy
Satria loza no niseho
raha toa io ka tsy teo,
f »angamba tay sy amany
no nameno tokontany
Izao aza moa jereo
fa na misy azy aza eo
dia mbola misy adala tena tsy misaina
fa eny an-dalam-be sy eny an-jaridaina
no manao ny ataony mamany sy mangery
Maharikoriko tsy maha te hijery.

Ka hoy aho manao hoe:
Soa fa teo ilay kabone

Rasamy

Laisser un commentaire