Tsikitsiky monja
dia mahamiran-tsaina
hafatra mafonja
ho an’ireo izay mpitaraina
Tsikitsiky ihany
no manampy ny fanahy
hamafa ny tomany
sy ny zava-mampanahy
Tsiky no enti-miady
amin’ny zava-manoloana
ka n’inona mianjady
dia asiana tsiky foana.
Rasamy