Ny alahelo

Ny alahelo

Ny alahelo raha kobonina 
tsy avela mba hivoaka,
dia toy ny vanja izay angonina
atahorana hipoaka

Ny alahelo tsy zaraina
fa mihiboka ao anaty,
dia mankararirary saina
mahatonga valifaty

Ny alahelo raha ambara
amin’ny havana sy namana,
dia kendreo mba hahatsara
fa tsy hanimba fihavanana

Ny alahelo sy tomany 
dia tsy maintsy hisy foana,
nefa avela handalo ihany
fa tsy ho mandavan-taona

Rasamy

Laisser un commentaire